Eritreritra kely sendra nandalo
dd | 05 Novambra, 2006 19:41
Hay va re!
Tonga saina kely aho omaly raha tapaka tampoka ny jiro
teto amin'ny tanAna, ary teo ampanamboarana ny
alahadiko iny indrindra aho.
Hay va re ka tena ilaina ilay herin'aratra ahafahana
mandrehitra itony jiro? hoy aho, fa tena nifamahofaho
be ny tao an-tsaina nahita fa tsy ny tao an-trano
irery no tsy nisy jiro fa eran'ny arabe rehetra
manodidina.
Afaka minitra vitsy dia indro, nivoaka teny an'arabe
olona maromaro, samy mitady hevitra sy mifanontany hoe
inona ary ity? satria raha 1 segondra no fahatapahany
ny alina mialoha ny omaly, izany hoe afak'omaly, ilay
omaly iny kosa efa mihoatra ny 30 minitra, nefa dia
mbola tsy tafaverina ihany ny herin'aratra.
Tsy afaka nanao na inona na inona moa fa dia lasa
nandrehitra ny labozia, dia nahatsiaro ny fahiny tany
an-tanindrazana. ... rehefa hariva iny ny andro, dia
mandrehitra ny "pEromax" na labozia vidiana ety
amin'ny fivarotan'i Ramamabe ! Izy irery no nanana
fivarotana teny ambanivohitra, ary dia tadidiko
tampoka izany rehetra izany, ...
Ilaina ny herin'aratra ry zareo, na aiza na aiza misy anao, ...
Njakatiana
dd | 24 Oktobra, 2006 16:49
Tsy miova tsy afindra
Efa fo vato ny ahy
Na ny saina amam-panahy.
(tohiny)
Dia izay izany fa tafiditra ato @ zay !
dd | 18 Septambra, 2006 09:20
Toerana vaovao ho ahy ity resaka blaogy ity, tsy ny informatika akory no vaovao fa ilay fombafomba atao hametrahana ny zavatra tiana holazaina, ...
(tohiny)